4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mampamangy - L. Saphira

Yeh ! Any ho any e

Yeh ! Androany a

Lasa saina any aho

Any ho any e

Lasa saina any aho

Androany a



Manantena anao aho fa ho avy e

Nefa ianao moa hatramin’izao toa misangy a

Ny fitiavana natotrao mampamangy ehe

Dia aleoko mionona amin’izao

Manavinavy an



Manirery any aho (in-2)

Tsy tafandry e

Manirery any aho (in-2)

Ka tomany a

Ts’isy azoko atao (in-2)

Fa miandry e

Nefa ianao any izay (in-2)

Mandrimandry a



Asa re raha tsapanao fa tena mafy e

Izany fiandrasana olon-tiana tsy mety avy an

Asa re ianao raha miandry na mampirafy e

Hany sisa azoko atao dia ny mihafy a



Malahelo any aho (in-2)

Ry malala e

Malahelo any aho (in-2)

Ka tomany a

Malahelo any aho (in-2)

Ka mijaly e

Miverena amin’izay miverena re

Fa sasa-miandry a



Lasa saina any aho

Any ho any e

Lasa saina any aho

Androany a

Lasa saina any aho

Any ho any e

Lasa saina any aho

Androany



Yeh !...

Partager mampamangy

Commenter mampamangy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe L. Saphira